RAVAOSEHENO

Ny amin-dRavaoseheno

I Ravaoseheno, dia teraka tokony ho tamin'ny taona 1853, ary maty tamin'i 28 aprily 1924 (71 taona no niainany) ary milevina ao Anosilava vadin-doloha an-dRafaralahimanitra. Araka ny tantara dia mpanao asa tanana ihany koa Ravaoseheno, ka ny mikasika ny fanenomana no tena niantsorohany. Izy mihitsy no nampaniry ireo voankazondandy mbola hitatsika ao avara-tranon'I Dadabe Ravoninjatovo ankehitriny. Tsy dia mahagaga akory izany satria dia avy any amin'ny faritra betsaka izany no nipetrahany, nialoha ny hahatongavany teto Anosilava. Ireto manaraka ireto kosa no zanany :

  • Ravoninjatovo, milevina ao Anosilava
  • Ranjanahary, milevina ao Anjazamadinika Marofangady.

 I Ranjanahary dia nanambady an-dRainibevary tao Anjazamadinika, ary niteraka an'i Rabevary sy ny anabaviny mirahavavy (Renin'i Felice ao Antenimbe sy Renin'i Lova ao Arivonimamo, atao hoe Razanajahary sy Raharinjanahary). Ireto kosa no zanak'i Rabevary : manaraka (miala tsiny izahay raha toa ka tsy milahatra araka ny fizokiana izany, ary angatahina fanitsiana ho an'ireo izay mahafantatra) :

      • Ramavoarisoa
      • Rakotondrainibe
      • Rainimaro milevina ao Anjazamadinika
      • Ingahy Naivo na I Naivonandro
      • Rakotomalala (Ramose), mpampianatra misiona
      • Ravao, atao hoe Vaobe
      • Rabemandray, ao Antohomadinika Antananarivo
      • Jeanne any Befandriana Avaratra
Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site