NY ZANAK'I RAINILEZAFY

Ireo zanak'i Rainilezafy

Ireto avy ireo zanak’I Rainilezafy tonga teto Faratsiho:

  • Rabango, nanambandy tao Ambodiala, ka Rakotonanahary na Rainivony, Filohan'ny Fokontany tao Tsaratanana, nipetraka tao Ambodivona ambonin'ny kianja KPJ ankehitriny, sy Raharimanana (vadin-dRaoelina), ary ireo rehetra iray tarika aminy no taranany.
  • Rainisakafo, milevina ao Anosilava, ka ry Ramangarivo eny Tsaratanana ambony vadin'i Razafindramanana, ray aman-drenin'i Son no mitondra azy
  • Rainingory, eny Marovitsika
  • Renisolo, niteraka ny renin'i Naivo Mandringa, nanan-janaka an'Ingahy Davy, Razafitsimba, Razafindramanana (renin'i Ingahy Zefa, vadin'i Razanabola sy André, izay maty tany ambaniandrefana Itasy sy Bongolava, ary Razay no anabaviny), ary Razafindrazandry, Razanadramiadana,  ary Razanajatovo
  • Reniamboa,
  • Rahova izy kosa no niteraka an'i Rainimboafiringa. Ity farany dia niteraka ireto manaraka ireto :
    • Rabefotsy, izay nanangana an'i Ratovoson na Ingahy Tovo na I Tovobota araka izay nahafantaran'i maro azy teny Ambohitrafaka.
    • Ranjavao, ao Ambodiala, renin'i dadan'i Rakotoarijaona Julien (Ingahy Zily na Ingahy Maire tao Faratsiho) sy Ravao tao Ambodivona Faratsiho (vadin-dRamatoa Razanakiniary), Raoelina (vadin-Raharimanana tao Andrefan-tsena Faratsiho), ary Ramatoa Razafindramanana vadin-dRazafimandimby (Solombavam-bahoaka tao Faratsiho, teo anelanelan'ny taona 1983-1989),
    • Ranjavelo, niteraka an'i
      • Razafindrahasy, izay niteraka an-dRanivoarimanga Marthe (vadin'i Rakotondravelo, mpivarotra teo avaratry ny Fiangonana FJKM Jerosalema Vaovao), Rabary eo atsinanan'ny Sinoa, ary Sabine any Ambatofotsy,
      • Ramaso na Ravoniarison teny Tsaratanana, ary
      • Ramiarana teo Ambatofotsikely, renin'i Bernard mianadahy avy.
  • Rafarapatsa, niteraka an'I
    • Ravaoarinelina renin'I Nest sy Randrianasolo,
    • Raivo nambady an'I Rajaonary teny Antanifotsikely ary ny taranany dia Ramose Edmond mirahalahy avy, fantatry ny maro niaraka aminy amin'ny anarana hoe Japoney (efa nonina tao Anosilava tamin'ny taona 1945), ary
    • Rasoamampionona, vadin'Ingahy Solo, renin'i Edmond na Mô Tsavay kely eny Tsaratanana.
    • Renimena,
    • Ramiaraka, izay tonga Razamben'i Ramanamiraho sy ny anabaviny, renin'i Mpitandrina Rabemanahaka W. tao amin'ny FJKM Ankadifotsy Antananarivo,
    • Rainimadinika, atao hoe Ranaritsimiala
    • Rainivovahy
    • Renisolo
    • Ary Rafaralahimanitra

Ireto kosa ireo zanany any ivelany :

  • Rainisoatsisakanana, tao Tsiafakantitra, niteraka an-Ravelonarivo sy Rafaramiadana
  • Ny rain-dRabeminahy sy Ramananjanahary Antenimbe ary Rasoanjanahary Andravonondry

Ary Rainikotolahy, Ampasamiangola Morafeno, niteraka an-dRatompohary izay niteraka an-dRazafindramiadana (tsy niteraka) sy Razafinjanahary niteraka an-dRamahatsena Soavidahy. Marihina fa i Ravaoseheno no vadin-dRainikotolahy.

Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site