Ny amin-dRabodovao

Ny amin-dRabodovao

I Rabodovao no tena vadin-Rafaralahimanitra. Momba tsy niteraka i Rabodovao vadiny. Koa rehefa hitany fa nanana anaka Rafaralahimanitra vadiny tamin'i Ravaoseheno rafiny, dia lasa izy ka naka kosa ny rahavaviny mba hiray rafy taminy tao ihany koa. Rehefa izany dia niteraka zazalahy koa ity rahavaviny ity, ary dia nalefany nody, fa ny zaza kosa notazominy ary dia notezainy tao Anosilava ary dia natsangany ka nomeny anarana hoe Tsitohaina. Inty farany kosa no niteraka an- dRatsimbazafy II na Ingahy Tsimba (na Tsimbadôbla hoy ny maro), izay nanambady an-dRazanatsoa (zafikelin-dRarivo iray tampo amin-dRainimiadana, mbola ho resahitsika any aoriana kely) avy any Belamosina. Izy mivady ireo no ray aman-drenin'i Tsima vadin-dRamananjoelina, Baliha (anadahiny), Jean-Baptiste na Bihakely ary Rakoto manam-bady ny zanaka vavin'i Line, zanak'i Rainijao sy Rafara na Ifaramena, mpino advantista mafana fo tao Anosilava ihany ary milevina eny Andrefan'i Marovitsika.

 

Ajouter un commentaire
 

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site